• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...