Hamafisin'ny Papa François fa toetra iray mendrika alain'ny tanora tahaka amin'ny zokiolona ny faharetana amin'ny fanambadiana. Tsy amin'ny fanambadiana ihany anefa, fa indrindra ihany koa amin'ny vavaka sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona ao amin'ny fianakaviana, miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa:
Nanavao ny hetsika fambolen-kazo ato anatin’ny 3 taona vaovao ny Fiangonana Katolika any Pakistan. Fambolen-kazo ho tanterahina ato anelanelan’ny taona 2020 sy 2022.
Nampiantso kongresy ho an’ny tanora mpahay toekarena sy mpandraharaha, izay ho tanterahina any Assise, ny 26 hatramin’ny 28 marsa izao i Papa François.
Fanirian’i Papa François ny hanaovan’ny Eglizy katolika any Ethiopie sy Erythrée ho fanamby ny fahafahana manao ny tsara.
I Masindahy Hilaire de Poitiers no tsaroana amin'izao 13 janoary izao. Teraka tao Aquitaine ny taona 310 i Masindahy Hilaire, mpanompo sampy ny fianakaviany ary taranak'andriana gallo-romain izy. Araka ireo tahirin-kevitra amin'ireo asa sorany, rehefa nitady ny marina izy ka nifanerasera tamin'ny Baiboly dia nibebaka ka nangataka hatao batemy ny taona 345.
Ny Fulgence tsarovana amin'izao 14 janoary izao dia ilay hoe Fabius Claudius Gordianus Fulgentius, teraka avy amin'ny fianakavian'andriana tamin'ny taona 458 tao Fériana ao Tunisie izy. Mbola kely izy no nisaraka tamin'ny rainy ka ny reniny no nanabe azy.
I Masimbavy Tatiana de Rome na i Tatienne no tsaroana ny 12 janoary. Niaina tamin'ny taonjato faha-3 i Tatiana na i Tatienne. Consul romain ny rainy, tsara tarehy tokoa i Tatiana. Niara-nivavaka tamin'ireo mahantra izy na dia nanana sy zanaka manam-boninahitra aza.
Ankalazaina izao 11 janoary izao i Masindahy Paulin d'Aquilée. Teraka teo anelanelan'ny taona 730 sy 740 tao Premariacco faritanin'i Udine i Paulin. Fanta-daza tamin'ny fahaizana sy ny fahalalana izy satria mpanoratra izy. I Alcuin dia nifidy azy ho mpampianatra ary ny Amperora Charlemagne dia niantso azy ho mpanolo-tsaina tao an-dapa indrindra ny amin'ny ara-pivavahana.
Sabotsy 18 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon'ny Tompo.
Hita taratra tao amin'ny lahateny nataon'i Papa François, nandritra ny fandraisany ireo masoivoho vahiny miasa eo anivon'ny Fiketrahana Masina ao Vatican, tonga niarahaba azy noho ny nahatrarana ny taona vaovao, ny alakamisy 9 janoary teo, ny fiahiany an'izao tontolo izao.
Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.
Zoma 17 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12 — Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy ny nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco