05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.

[audio src="/images/sounds/saint-20200805.mp3" background="#0099ffff"]

Tsiahivina mantsy fa tamin’io fotoana niainan’i Abel io no nanjakazakan’i Charles Martel indrindra fa ny fanararaotany ny fampiasana sy ny fakana ny fananan’ny Fiangonana. Ka ny ataony amin’izany dia ny manendry pretra avy amin’ny trano fitokana-monina sy eveka izay azony langolangoina izy ka ireo pretra sy eveka ireo no mifampisasaka aminy amin’ireo fananana sy vola miditra ao amin’ny Fiangonana. Te hanova izany fomba rehetra izany i Pépin le Bref zanak’i Charles Martel ka nanendry an’i Abel mpitoka-monina tao Lobbes tao Belgique mba ho eveka tao Reims, ilay eveka nodimbiasan’i Abel anefa tsy namela azy hiaina sy hanao ny asany nandritra ny telo taona, ka vizaka sy tofoka i Abel. Lasa izy nisintaka tany amin’ny trano fitokana-monina. Ny vavaka no natolony ho an’ny Fiangonana namenoany izay rehetra tsy azony atao sy tsy vitany nandritra ny naha eveka azy.

Fa tsara ihany koa ny hahalalantsika fa misy ihany koa ny Abel ao amin’ny tantaram-pamonjena. Tsy iza izany fa i Abel, zanaka faharoa an’i Adama sy i Eva, novonoin’i Kaina zokiny izy io noho ny fialonan’io zokiny io ny fitiavan’Andriamanitra azon’i Abel zandriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...