Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

  • Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

  • Voalazanao.

Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

  • Tsy mamaly akory va Ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka; ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; fa namaly i Pilaty nanao hoe:

  • Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy. Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy. Ka hoy indray i Pilaty taminy:

  • Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

  • Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary hoy i Pilaty taminy:

  • Fa inona àry no ratsy nataony?

Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:

  • Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany. Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany; ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

  • Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany, ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà izay adika hoe tanin’ny karan-doha. Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana: ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany; ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”. Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

  • Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity! Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

  • Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena. Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.

Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy. Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy; ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

  • Eloy, Eloy, lamà sabaktany?

Izany hoe:

  • Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô! nahoana no dia nilaozanao Aho?

Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

  • Indro miantso an’i Elia Izy.

Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:

  • Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:

  • Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

♦ Voatendry ho Provinciale vaovaon'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice na ny FMA eto Madagasikara, i Masera Rafaraonisoa Blandine na i Sœur Fara... ♦ Nitombo avo roapolo heny ny tinady amin'ny fanafody CVO+ tato anatin'ny telo herinandro izao... ♦ Mbola tsy afaka tanteraka ny kere any amin'ny Faritra Androy, na nisy orana nilasaka aza tany an-toerana...

Namaritra fanamby hametraka mari-pamantarana momba ny kalitao na ny “label qualité” ho an’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ny Malagasy Dairy Board. Izay no ifantohan’ny tohana atao amin’ny mpiantsehatra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka… Fanamby nandritra ny fivoriambe notanterahana tamin’ny 19 Marsa 2021 teo… 

Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…

♦ Natomboka androany ny fizaràna ny CVO+ ho an'ny mpitandro filaminana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Nahazo tale jeneraly vaovao ny Samifin. Voatendry hisahana izany andraikitra izany Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana... ♦ Manameloka ny fanasoketana ny filoha nasiônaliny ataon'ny olona sasany anatin'ny fitondrana ny antoko Freedom... 

Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)

♦ Fantatra ireo olona efatra hisolo tena ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ho eo amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Valan'aretina Covid-19 : Olona maherin'ny 1000 no natao fitiliana, ka ny 162 tamin'ireo no nitondra ny tsimok'aretina, teto Analamanga avokoa ny 84... ♦ Mihoatra ny 300.000 ny olona matin'ny Coronavirus any Brezila... 

♦ Resin'ny ekipa Etiopianina tamin'ny isa efatra no aotra i Madagasikara, tamin'ny lalao baolina kitra notanterahina ny tolakandro teo. Mbola tsy very fanantenana ny Barea aloha hatreto... ♦ Voafidy androany avokoa ireo solontena efatra avy amin'ireo parlemantera, ho mpikambana ao amin'ny HCC...

Ny valan-javaboary Tsingin'ny Bemara ao Morondava dia misy biby maro  toy ny gidro izay misy karazany 13, ka  ny karazany 03 dia fahita amin'ny alina ary 10 ambiny dia  amin'ny andro mazava. Toerana azo hitsangatsanganana tsara amin'ny alalan'ny lakana ny any Manambolo, misy koa ny zohy ahitàna stalactite sy stalagmite. Any amin'iny faritra iny koa no ahitàna ny fasan'ny vazimba, olombelona voalohany teto amin'ny Nosy... Ny bokiboky dia biby mpihinan-kena manta... 

♦ Afaka adiny efatra no hizotra any Bahir Dar Ethiopia ny lalao ifanandrinan'ny Barea sy ny Antiloppe Etiôpiana, ho fifanintsanana Can 2021... ♦ Miato manomboka anio ny fampianarana ho an'ny sampam-pianarana Siansa eny amin'ny Oniversitea an'Antananarivo. Voalaza ho anton'izany ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Misaona indray ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry androany maraina i Sammy Rabenirainy, ao amin'ny tarika Lôlô sy ny Tariny... 

♦ Nahiditra hôpitaly  omaly hariva eny amin'ny Soavinandriana ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsirakasy ny vadiny. Voalaza fa tratran'ny aretina gripa izy ireo... ♦ Anio no hotanterahina ny fifidianana izay ho solontenan'ny Antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... ♦ Hotanterahina anio tolak'andro any Bahir Dar ny lalao ifanandrinantsika amin'ny Ethiopia. Samy miandrandra fandresen'ny barea hiakarana any amin'ny Can 2021 indray ny mpitia baolina kitra malagasy...

♦ Tsy mitsahatra ny mamono olona ny Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 361 ny isan'ny maty ; mihamaro ihany koa ireo manana soritr'aretina, mankeny amin'ny Village Voara Andohatapenaka, ho an'ny ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Nanolotra fanomezana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Governemanta Indiana, fanampiana navantana avy hatrany tany Taolagnaro. Nandray izany ny Praiminisitra Ntsay Christian...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...