Namaritra fanamby hametraka mari-pamantarana momba ny kalitao na ny “label qualité” ho an’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ny Malagasy Dairy Board. Izay no ifantohan’ny tohana atao amin’ny mpiantsehatra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka… Fanamby nandritra ny fivoriambe notanterahana tamin’ny 19 Marsa 2021 teo… 

Napetraka izay fanamby izay mba ho tosika ho an’ireo mpandraharaha Malagasy isa-tsokajiny hanatsarana ny vokatr’izy ireo sy ny tsena, ary indrindra ho fiarovana ny fahasalaman’ireo mpihinana mba hanjifa vokatra tsara kalitao sy manaraka ny fenitra…

Hijery fomba ihany koa ny MDB mba ahafahana manetsika ireo fitaovana maro nozaraina tamin’ny andron’ny tetik’asa PSE tany aloha tany izay tsy misy mampiasa ankehitriny. Ohatra amin’izany ny efa atao any Iboaka faritra Matsiatra ambony iarahana amin’ny fandaharan’asa PROSPERER amin’izao fotoana izao, izay hampiasàna ny fitaovana sy foibe fanangonana ronono mba hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono any amin’iny faritra iny…

Nangataka ihany koa ny mpikambana, indrindra ny mpiompy mpamokatra ronono mba hanomezan-danja ny asa famokarana ataon’izy ireo. Tokony hisy noho izany ny fitsinjovana azy ireo manokana ka ametrahana ny fiantohana momba ny fisotroan-drononony. Hoentina eo anivon’ny tompon’andraikitra ny fandinihana ny momba izany…

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...