Ny sampana ORL no miandraikitra ny fahasalaman'ny faritry ny loha. Tamin'ny taona 1860 no naharesilahatra ny mpikaroka fa tokony tsy hisaraka intsony ny fitsaboana ny ati-sofina sy ny tenda ary lalana hifandraisany ny orona sy ny maso. Maro ireo aretina mety hahazo ny faritry ny loha ary saropady ka hentanina ny tsirairay mba hanantona mpitsabo matihanina raha misy tranga mampiahiahy...
♦ Niala tao Taolagnaro nihazo an'i Ambovombe omaly ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin... ♦ Na dia efa nilaza ny hanohy ny tolona sy ny fitakiana aza ireo solombavambahoaka Tim dia tsy hisy ny hetsika amin'ity sabotsy ity... ♦ Navoakan'ny ministera tompon'andraikitra ny datim-panadinana bakalôrea sy ny fotoana hanaovan'ireo mpiadina fisoratana anarana...
♦ Nanainga tao Taolagnaro nihazo an'Ambovombe androany ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin. Mbola manjavozavo anefa ny miandry azy ireo any Ambovombe... ♦ Takona noho ny fifandiran'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny tena olana mianjady amin'ny vahoaka, hoy ny antoko UNDD, androany...
♦ Miankina amin'ny fanajantsika ireo fepetra sakana tsy hiparitahan'ny Coronavirus ihany, no mety hidirantsika amin'ny fihibohana indray na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Heverina ho afaka hampiasa ny "tramway" na ny "train urbain" ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra, manomboka amin'ny taona ho avy. Efa manomboka mantsy ny fanatanterahana ny tetik'asa akehitriny...
♦ Hifarana rahampitso ny fe-potoam-piasan'ireo mpikamban'ny HCC. Miankina amin'ny fivorian'ny vondrona parlemantera no handrotsahan'ny antoko Tiako i Madagasikara kandindà ho solontenan'ny Antenimieram-pirenena ao na tsia... ♦ Nahatratra 500 tapitrisa dolara ny vola very teo amin'ny sehatry ny fizahan-tany teto amintsika ho an'ny taona 2020, vokatry ny fisian'ny Covid-19...
Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo...
♦ Mitaky fananganana sehatra ifampidinihana hamahàna ny olana misy momba ny raharaham-pirenena ny K3F... ♦ Anjaran'ny olom-pirenena no mifanentana amin'ny fanoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana. Mbola misy 2.000.000 mantsy ireo vehivavy malagasy no tsy misoratra anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Hoamafisin'ny mpitandro filaminana ny fanaraha-maso amin'ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19...
Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...
Ireo fomba hamantarana ivelany fa misy terintsaina "stress" ny olona iray.(10-03-2021)
♦ Manampy an'i Madagasikara amin'ny fametrahana politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny Banky iraisam-pirenena, 150 tapitrisa dolara no famatsiam-bola ho azontsika amin'izany... ♦ Niantso tsy ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimiera mpanao lalana, ny fahefana mpanatanteraka, tamin'ny alalan'ny filan-kevitry ny minisitra...
♦ Mafy orina sy mitohy tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Baky iraisam-pirenena sy i Madagasikara, fa tsy araka izay inian'ny sasany aely, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny teti-bola, raha nanao sonia ny fahazoana fanomezana 150 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky iraisam-pirenena androany... ♦ Mety hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo parlemantera, amin'ny herinandro ambony ny governemanta, araka ny fanadihadiana natao teny amin'ny Antenimierandoholona, ka lahadinika amin'izany ny mahakasika ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana...
♦ Maro ny aretina mifandray sy mifampiankina amin'ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, iray amin'izany ny "Pesta". Ny pesta dia azo avy amin'ny voalavo marary, hafindran'ny parasy amin'ny olombelona sendra azy. Mbola ao anatin'ny vanim-potoana fisian'ny pesta isaka izao (Aogositra-Aprily), misy distrika miisa 45 mbola ahitàna tranga eto Madagasikara. ♦ Tsakafy : sokatra kely miaina an-tanety, hitan'ny mpikaroka tamin'ny taona 1927, mirefy 122 hatramin'ny 126 mm...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco