♦ Resin'i Tanzanie tamin'ny isa 3-2 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Faharesena faharoa azon'ny Malagasy, mametraka azy any amin'ny laharana farany ao amin'ny Vondrona J... ♦ Tokantrano manodidina ny arivo no monina tsy ara-dalana ao amin'ny ala arovana Antimena any Menabe. Mampanahy ny fahasimban'ny ala arovana, tonga nikaro-bahaolana niaraka tamin'ny CFM ny solontenan'ny mpitantana any amin'izany faritra izany...

Ny olomasina sy ny olontsambatra rehetra dia azo alaina tahaka amin'ny fanaovana safidy na famantarana ny antso. Ohatra azo raisina : Abrahama, Masina Maria, Md Paoly, ary Moizy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny fifandraisana manokana amin'Andriamanitra dia lalana hafantarana ny antso, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra na ny Soratra Masina. Nomen'Andriamanitra ireo olomasina isika hanampy antsika hamantatra ny antso. Taloha fihaonana mivantana no nahafantarana ny antso fa ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fandinihana ny fiainan'ireo olomasina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tsy mora ny mamantatra ny antso'Andriamanitra sy ny sitrapony. Nomen'Andriamanitra fahafahana isika ahafahana mandinika io antso io. Voalohany dia fahafahana mandinika satria nomena saina isika, faharoa fahafahana manapa-kevitra araka ny safidim-po. Manokana ny antson'Andriamanitra ka ny tsirairay no mandinika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Hiatrika ny andro faharoa amin'ny fifanitsanana Mondial 2022 any Tanzanie anio tolakandro ny Barea. Ho hita mivantana eto Madagasikara... ♦ Misy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatery nampihemotra ny fidiran'ny mpianatra, vokatry ny fahasahiranana ara-bola eo amin'ireo raiamandreny... ♦ Nirehitra omaly ny trano lehibe misy ny foiben'ny Ôfisim-pirenena misahana ny fampianarana tsy miankina eny Ampasamadinika...

Ho entina miatrika fiainana dia ilaina ny miezaka mikolokolo hatrany ny harena ao anatinao. Ianao no tompon'antoka amin'ny fiainanao, asio tarigetra ary mahaiza mandanjalanja. Isan'ny harena ao anatin'ny olona ny saina sy ny fanahy, eo ihany koa ny soatoavina ka mila koloina. Ny harena tsy voakolokolo dia mihena ny sandany...

♦ Anio tolakandro no hiatrika ny lalao faharoa amin'ny fifanintsanana Mondial 2022 ny Barean'i Madagasikara. Lalao ho tanterahana any Dar es Salam... ♦ Impito izao no notorin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo eny amin'ny Fitsarana ny Mpanolotsain'ny Tanana Clémence Raharinirina. Niatrika famotorana teny Polisy teny Tsaralalana indray izy omaly...

♦ Fotoana fidirana an-tsehatra eo amin'ny tontolon'ny pôlitika izao ho an'ireo maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ny taona 2023, hoy ny OHT... ♦ Niditra ny andiany fahafito indray ny disadisa eo amin'ny mpitantana ny tananan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Mpanolotsaina ny tanana, Clémence Raharinirina... ♦ Faritany roa, Antananarivo sy Antsiranana sisa no mbola tsy namoaka ny voka-pifidianana bakalorea...

Alakamisy 9 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38

♦ Miditra anatin'ny dingana fanarenana taorian'ny krizy ara-pahasalamana na ny Post Covid-19 i Madagasikara ankehitriny. Anatin'ny tetikasa hanomezana fahasalamana sahaza ny vahoaka dia manomboka androany ny caravane médicale andiany fahatelo... ♦ Miandry izay ho mpikambana vaovao handrafitra ny holafitra ny fanolorana solontenan'ny mpanao gazety eo amin'ny birao maharitry ny CENI... ♦ Heverina ho vita mialohan'ny faran'ny taona avokoa ireo fonja vaovao...

Alarobia 8 septambra 2021 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-23

Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...