♦ Hihaona amin'ny vahoakan'ny faritra Vakinankaratra amin'ny sabotsy izao ny RMDM. Fihaonana voalohany taorian'ny nanafoanana ny amehana ara-pahasalamana... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra mba hanaja ny lamina efa napetraky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena momba ny tetiandro fidiran'ny mpianatra ny solombavambahoaka an'i Vohipeno... ♦ Ampianarina any amin'ny oniversite iray any Chine, ankehitriny ny teny malagasy...
Manandanja ny toeran'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny fiangonana. Manoloana ny rotorotom-piainana iainan'ny ray sy ny reny niteraka sy ny tanora, ary koa ny fandrosoana ny teknolojia vaovao sy ny fomba fifandraisana dia ilaina, indrindra, ny traikefa zarain'izy ireo, ny soatoavina sy ny kolontsaina hampitainy ary ny fahendrena azony omena.
Voajanahary ve ny antson'Andriamanitra?. Ny lalam-piainana ho an'ny olona iray dia efa voasoritra hatramin'ny fahaterahany, fa Andriamanitra kosa dia manome fahalalahana hisafidy ho an'ny tsirairay, ka miantso ankahalalahana izy. Tsy lahatra ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Masina Maria dia tovovavy kely ary virijiny, talohan'ny fanambadiana. Araka ny fomba dia misy dingana telo ny fanambadiana : fisehoana, vodiondry, fakana ilay vehivavy. I Maria dia efa tonga teo amin'ny dingana faharoa no tonga ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent, lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).
Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Andriamanitra dia miditra amin'ny tantaran'ny olombelona rehefa misy olana mba hanafaka. Hamantarana ny antso dia mila mahafantatra an'Andriamanitra isika ; ohatra : i Md Piera, nanaraka am-pinoana an'i Jesoa Kristy, na mbola tsy nino aza izy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Rehefa manaraka sy mamaly ny antson'Andriamanitra isika dia miova tanteraka ny maha-izy antsika. Tao anatin'ny fahanginana no nihainoan'i Abrahama ny antson'Andriamanitra sy ny iraka, mihaino ny asan'ny fanahy masina. Ny nanosika an'i Abrahama dia ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. RAkotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Masina Maria dia nino tamin'ny andro niantsoan'Andriamanitra azy, na mbola zazavavy aza izy. Ankehitriny dia voafetra ny lalàn'ny fiangonana ny fotoana hirosoana amin'ny fanambadiana kristianina. Masina Maria dia namakafaka tsara vao nankatoa ilay antso izay nampitain'ny anjely taminy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Voatendry nandritra ny filan-kevitry ny ministra notanterahana teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha omaly ny tale jeneraly vaovaon'ny tahirim-bolam-panjakàna... ♦ Andrasana ny fandefasana ny antotantaratasy any amin'ny fitsaràna miady amin'ny heloka be vava momba ny raharaha Appolo 21... ♦ Nihaona tamin'ny filohan'ny CFM teny amin'ny birao fiasany teny Ampefiloha ny masoivoho britanika, voaresaka tao ny asa fampihavanana ataon'ny CFM sy ny kere...
♦ Ny volana Novambra hatramin'ny Avrily no vani-potoana hisian'ny rivo-doza. Ny rivo-doza dia faritra andro ratsy mitondra orambe sy rivotra mifofofofo amin'ny afangainam-pandeha 63km:ora, 300 hatramin'ny 1500km ny velarany ary 8km hatramin'ny 10km ny haavony... ♦ Ny varimbazaha dia ao anatin'ny fianakaviamben'ny "graminée". Novolena sy novokaraina hatao sakafo ny varimbazaha ary amin'ny faritra mafana sy be orana no mety aminy...
♦ Efa miandry fatratra ny fandalovan'ilay raharaha Apollo 21 eny amin'ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava, ireo mpisolovavan'ireo voarohirohy, ankehitriny... ♦ Am-polony ireo zatovolahy efa noraisina ho miaramila raikitra no voatery naverina ho sivily, noho ny fandikan-dalana... ♦ Niaiky androany, ireo Taxi-Moto miasa ao Antananarivo Renivohitra, fa mbola manohy miasa na teo aza ny fandrarana avy amin'ny Kaominina...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco