Alakamisy 9 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38

Ry kristianina havana, ity andalan-tSoratra Masina ity dia mifanindran-dalana amin’ny Evanjelin’i Matio 5. Efa nohenointsika tamin’ny herinandro faha-10 mandavantaona. Ny Hebrio moa no iantefan’ny Evanjelin’i Masindahy Matio, nifantoka noho izany ny fanoratana momba ny fahalavorarian’Andriamanitra. I Masindahy Lioka kosa dia nanoratra ho an’ireo tsy mpino ka nifantoka indrindra tamin’ny hatsaram-panahy sy ny famindram-pon’Andriamanitra ny fampianarany. Na eo aza izany fahasamihafana kely izany, ny fampianaran’i Jesoa dia mitovy : mampianatra momba ny fitiavana kristianina Izy. Ny fitiavana dia mihoatra amin’ny faritra mahazatra, mihoatra amin’ny maha-mpihavana, fa fitiavana misokatra ho an’ny rehetra hatramin’ny mpanenjika na fahavalo aza. Ho zanak’Andriamanitra isika rahefa maka tahaka ny Ray amin’ny fitiavana maimaim-poana ho an’ny rehetra miala amin’ireo fitiavan-tena sy fitiavana miandry valiny.

"Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo". Ankoatra ny fampianarana maro nampianarin’i Jesoa, ity tenin’i Jesoa ity dia lehibe loatra, aoka haka tahaka ny Ray ianareo amin’ny famindram-po, izany hoe aoka ny fomba itiavanareo ho tahaka ny fomba itiavan’ny Ray. Ahoana izany fitiavan’ny Ray izany : mampiposaka ny masoandro amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy sy manome ranonorana ho an’ny marina sy ny tsy marina (Matio), tsara fo amin’ny mpankasitraka sy ny ratsy fanahy (Lioka). Dia io no asehon’i Masindahy Lioka miharihary : tiavo ny fahavalonareo, ny zavatra ataonareo dia tsy maintsy mihoatra noho izay ataon’ny mpanota.

Hita eny amin’ny fiaraha-monina eny matetika ny fitsaram-bahoaka. Rahefa mamaly faty amin’ny ratsy ataon’olona isika dia efa mandika sahady ny hoe : aza mitsara mba tsy hotsaraina, satria efa manameloka sahady ilay nanao ratsy isika. Izany dia miteraka ady tsy vita. Izany anefa no hitantsika matetika eny amin’ny fiaraha-monina, manjaka ny herisetra, manjaka ny valifaty, manjaka ny halako bika tsy tiako tarehy.

Ny tena fiainanan’ny kristianina anefa tsy izany. Tsy mora ny fiainana kristianina fa mitaky fiainana tsy tahaka izay ataon’izao tontolo izao. Kristianina tia fiombonana, kristianina tsy tia fizarazarana na fisaraham-bazana satria mahatsiaro fa samy zanaky ny Ray. Kristianina manetry tena, tsy resy fa mpandresy noho ny fitiavana. Kristianina tia fihavanana sy tia mampihavana ka antsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Kristianina manao soa amin’ny olona rehetra satria ny tena fitiavana tsy misy fetra. Kristianina mamela heloka satria izany no tena porofon’ny tena fitiavana. Kristianina mivavaka satria te hiaina ny fitiavan’Andriamanitra. Aoka àry ho masina ianareo tahaka ny Rainareo izay any an-danitra (Lv).

Azo antoka ny famindram-pon’Andriamanitra amintsika indray andro araka ny vavaka nampianarin’i Kristy : avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay. Alao hery àry ry kristianina fa tsy farahidiny isika amin’izany fiainana ny tenin’Andriamanitra izany fa fanandratana antsika haka tahaka ny Ray.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...