Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny." Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary hoy Izy: "Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony; nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana."
Tamin’izany andro izany, dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana sady niantso mafy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!" Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?" Hoy ireo taminy: "Eny, Tompoko." Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy: "Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo." Dia nahiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: "Tandremo sao ren’olona izao." Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny, hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo. Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: "Mampalahelo Ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy, tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina sao dia reraka eny an-dalana izy." Fa hoy ny mpianany taminy: "Aiza no hahazoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an’efitra?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Manana mofo firy ianareo"? Hoy ireo taminy: "Fito sy hazandrano madinika vitsy foana." Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakìny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina.
♦ Nofaranana ny 28 novambra tamin'ny alalan'ny fiaraha-miombom-bavaka tao amin'ny EKAR Masindahy Piera Ambohipo, ny Zaikabe faha-9 sy ny Kômity Foibe faha-43, ho an'ny FFKM... ♦ Notsofin-drano sy notokanana tamin'ny 27 novambra ny Maternité natokana hikarakarana ireo mahantra sy sahirana, sahanin'ny Salezianina Don Bosco, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanolotra fampianarana lalina mikasika ny fifohazana ara-panahy tena ilaina amin'ny alalan'ny vavaka ny Papa François, nandritra ny vavaky ny Angelus...
Entanin'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany mba handray anjara amin'ny fanatanterahana ny sinaodin'ny eveka 2021-2023 araka ny lohahevitra hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana".
♦ Hikatsahana sori-dalana pastôraly iombonana, sahaza ny vanim-potoana ankehitriny nefa manaraka ny sitrapon'Andriamanitra ny Sinaodin'ny Eveka 2021-2023... ♦ 18 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanabeazana ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Tanterahana any Verona Italia ny 25 hatramin'ny 28 novambra 2021 ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina...
Hamafisina hatrany fa ny fanomezana dia endriky ny fanehoana fitiavana. Zava-dehibe loatra io manao fanomezana io, hoy ny Soratra Masina : "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray". Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Akon'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora, izay ankalazaina amin'ny Fetin'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao...
♦ Tontosa ny 12 hatramin'ny 14 novambra 2021 ny Antenimieran'ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nomarihana tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 11 sy ny 14 novambra 2021 ny tsingerin-taona nahatongavan'ny Masera Saint Joseph de Cluny sy ny Masera Bénédictines de Sainte Batilde, teto Madagasikara... ♦ Nikarakara fikaonan-doha iraisam-pirenena androany, ny Vaomieran'ny Covid-19 ao Vatican, izay sahanin'ny Dikastera momba ny fampivoarana manontolo ny maha olona...
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco