♦ Natomboka ny 5 janoary teo ny dinik'asa fanomanana ny JMJ andiany faha-10, izay hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Manentana ny mpino rehetra maneran-tany ny Papa François, amin'ity volana janoary ity, hivavaka ho fanoherana ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana... ♦ Nirary soa mba hisian'ny fiadanana ka hamirapirataran'i Kristy eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana ao amin'ny Eglizy Tatsinanana, mankalaza ny Noely andorany, ny Papa François...
Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...
♦ Nirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Filohan'ny FFKM, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Nofoanana ary hahemotra amin'ny andro mahamety azy ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Naneho ny fankasitrahany ny Filohan'ny Repoblika Italianina, Sergio Mattarella, ny Papa François tamin'ny famaranana ny vavaka Angelus ny 1 janoary 2022...
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.
♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...
♦ Manana ny anjara toerany manokana amin'ny fizorana amin'ny Sinaody ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny kristianina samy hafa finoana, atambatry ny Batemy iray... ♦ Ny "Eglizy miara-dia" dia Eglizy miara-mandray andraikitra sy mampandray anjara ny hafa...
♦ Natao hanatanterahana ny asa fanirahan'ny Eglizy ny fiarahan-dia, ka antsoina handray anjara amin'izany avokoa ny mpino rehetra... ♦ Mitaky fiaretana ny mafy sy faharetana ny fifanakalozan-kevitra, ary manampy amin'ny fifankahazoana...
♦ Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kitsim-po ny olona rehetra, izany hoe atao an-kahalalahana, am-pahamarinana, sy am-pitiavana... ♦ Tsy ho tanteraka ny "fiarahan-dia" ataontsika raha tsy mifototra amin'ny fiaraha-mihaino ny Tenin'Andriamanitra sy ny fankalazana ny Eokaristia...
♦ Nirary soa ho an'ireo olona any amin'ny toerana ianjadian'ny fahoriana, ho tonga toeram-pamonjena, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nasongadin'i Mgr Paolo Rocco, Nonce Apostolique, tamin'ny firarian-tsoa nataony ny fiahiana manokana ireo tena mahantra mba hahazo ny hazavam-piainana amin'izao Noely izao... ♦ Miantso fiombonam-bavaka amin'ny 28 desambra 2021 ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ho an'ireo nodimandry sy ireo niharam-boina tamin'ny loza nifanesy teto amin'ny firenena tamin'ity taona 2021 ity...
Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.
Mirary ny rehetra hiaina ny fitiavana entin'ny Noely ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny olona mahitsy fandeha dia miaina amin'ny fitiavana sy mifampitsimbina, hoy izy, manalavitra ny fitiavan-tena sy ny fifampiandaniana. Tsy hohadinoin'ny Eglizy ihany koa ny mivavaka ho an'ireo zohim-pahoriana ankehitriny mba hampian'Andriamanitra sy hankahereziny izy ireo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco