Aretina mpahazo olona maro maneran-tany ny fahenoana feo ao anaty sofina izay tsy fandre, ny 10% ny olona any Japon sy Amerika no tratrany, 70% ny ao Frantsa, ary 15% ny eto Afrika. Ny antony mahatonga azy dia mety ho tai-tsofina, tafiditry ny zavatra, misy tsimok'aretina, maniry loatra ny taolan-tsofina, voadona mafy, avy amin'ny toerana be tabataba, fahanterana, vokatry ny tsy fahazakana fanafody. Misy karazany roa ny fitrangany : Ny marary ihany no maheno, ary ny iray ny mpitsabo ihany koa mahare ilay feo...
Foana tamin'ny ora farany ny fivoriambe izay saika hotanterahan'ny mpiasan'ny fahasalamana noho ny fanapahana teo anivon'ny Préfécture an'Antananarivo. Nisy tamin'ireo mpitarika sendikaly sasany ny nilaza fa nahazo taratasy fandrahonana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Nilaza ny tsy maintsy hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo, raha tsy mivaly ny fitakiana...
Sabotsy 23 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 20-21
♦ Nampahafantarin'ny HCC ny didy manendry Solombavambahoaka roa vaovao, hisolo toerana ny Solombavambahoaka iray nodimandry sy iray hafa voafidy ho Loholon'i Madagasikara... ♦ Ialokalofan'ny valan'aretina Covid-19 ny fanombohan'ny taom-pitsarana 2021, hoy ny Filoha voalohan'ny Fitsarana antampony eto Antananarivo, tsy sakana amin'ny fanatanterahana ny asa anefa ny fisian'io aretina io...
Zoma 22 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
Alakamisy 21 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
Nametraka fandaminana, hanampiana sy hanamorana ny fandalovan'ireo olona avy any atsimon'ny nosy, handeha hila ravin'ahitra any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara ny teo anivon'ny Ministeran'ny Mponina, ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny BNGRC...
Tafakatra folo ny isan'ireo olona voasambotra ary nampidirina am-ponja, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg. Andrasana ny ho valin'ny fampiraharahana natao momba ny famerenana eto Madagasikara ireo olona voasambotra tatsy Afrika Atsimo...
Tamin’izany andro izany, hariva ny andro, ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe: "Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano." Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: "Ry Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?" Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: "Mangina, mitonia." Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?" Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany. Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana." Ary hoy indray Izy: "Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony." Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." Dia hoy indray Izy: "Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe : “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy : “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy : “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra ? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny ; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela ; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco