Zoma 23 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 52-59

Eo am-pamaranana ny lahateny mahakasika an’i Jesoa Mofon’ny fiainana isika izao. Manomboka ho mafimafy kokoa ny adihevitra eto, satria manafitonhina ny jody ny tenin’i Jesoa Kristy. Noho ny fandraisan’izy ireo azy io ara-bakiteny no nahatonga izany. Tsy fomban’ny jody velively ny misotra ny rà fa izany no mari-panajana ny aina misy ao anatin’io rà io. Tsy takatry ny jody fa ny tian’i Jesoa holazaina dia hoe : miray aina tanteraka aminy isika rehfa mihinana ny vatany sy misotro ny ràny. Noho izany rehefa mandray anjara amin’ny Eokaristia Masina isika, ka nanray an’i Jesoa dia tadidio fa manahaka an’i Jesoa, sahy ny hahafoy ny aintsika ihany koa ho an’ny hafa.

Mihamazava bebe kokoa amintsika izany fampianaran’i Jesoa Kristy izany rehefa mandinika ireto teny nolazain’i Masindahy Paoly apostoly sy i Masindahy Joany isika : « Koa matoa velona aho, dia tsy izaho intson no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko » (Ga 2, 20) ; « Indro, mitsangana eo ambaravarana Aho, sady mandondona ; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka Amiko » (Ap 3, 20); « Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy » (Jo 14, 23).

Tsy mora ny mahazo ny hevitry ny teny hoe i Jesoa Kristy no Mofon’ny fiainana ka izany indrida no ilàna ny fahaizana mamaky ny Tenin’Andriamanitra ao anatin’ny Fiangonana. Mila mitoetra ao amin’i Kristy Jesoa ihany koa isika, koa angataho ny fahasoavan’Andriamanitra ary velomy hatrany ny faniriana hiaraka aminy hatrany hatrany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...