Tamin’izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny ; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe : “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe : “Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe : “Iza no anaranao ?” Dia novaliany hoe : “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe : Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha ; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy ; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy : “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.
Manatona haingana ny morontsiraka atsinanan'ny nosy ilay rivodoza Eloise, ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Rahampitso alina, na amin'ny alarobia maraina izao no hiditra an-tanety ao Analanjorofo izy.
Sabotsy 30 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao ; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-41
Zoma 29 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34
Valan'aretina Covid-19 : ny eto amin'ny Faritra Analamanga no ahitana fifindran'ny tsimokaretina be indrindra eran'i Madagasikara. Nitombo avo roa heny amin'ny tarehimarika teo aloha mantsy ny tranga vaovao, raha ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly. Ny Faritra Matsiatra Ambony kosa no manaraka azy.
Alakamisy 28 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 21-25
Alarobia 27 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 1-20
Talata 26 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 31-35
Alatsinainy 25 janoary 2021 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-18
Alahady 24 janoary 2021 — Alahady fahatelo mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
♦Tsy mihevitra ny hamerina ny fihibohana ny mpitondra fanjakàna hoy ny kabinetran'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Hiafara amin'ny fanasaziana ny fikitakitàna sy ny avonavona ataon'ireo mpiasan'ny fitsarana amin'ireo olona manandraharaha eny amin'ny tribonaly... ♦ Hitondra ny heviny manoloana ny fifindramonina ataon'ireo antadroy ny governoran'ny faritra Androy...
♦ Miseho lany ny fandrahonana mianjady amin'ireo mpitarika sendikaly, tsy tontosa tamin'ny ora farany indray ny fivoriamben'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Olan'ny rano : tsy any atsimon'ny nosy ihany fa eto an-drenivohitra ihany koa... ♦ An'arivony ireo ivon-toerana kasain'ny filoha voafidy any Etazonia hosokafana hanafainganana ny fanaovana vaksiny...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco