Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.
♦Nilaza omaly ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa misy andian'olona minia manakorontana tsy hahatontosa ny fifidianana loholona amin'ny faha 11 desambra izao... ♦ Ny raharaha anatiny eo anivon'ny antenimieran-doholona no nifantohan'ny fivoriana azon'ny besinimaro natrehina omaly teny amin'ny lapa maitso Anosikely... ♦ Ny 22 novambra ho avy izao, mandritra ny Eokaristia Masina hotarihan'ny Papa François no handraisan'ny tanoran'i Portugal ny famantarana ny andro eran-tany ho an'ny tanora dia ny lakroa masina sy ny sary vongan'i Masina Maria...
♦ Fifanitsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2022, nisaraka ady sahala iray noho iray tany Toamasina androany ny Barean'i Madagasikara sy ny Elefantan'i Cote d'ivoire... ♦ Nampiato ny asany nanomboka androany ary hanohy izany ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ireo mpanara-mason'ny asamanerana ny nosy mivondrona ao amin'ny sendika SAIT... ♦ Mihemotra ny fahaiza-mitantana aty Afrika. Voakasik'izany ny fihemorana amin'ny fampandriana fahalemana, ny fiarovana ny zon'olombelona...
18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.
Sabotsy 21 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
♦ Hitodika any Toamasina anio ny mason'ny Malagasy rehetra, amin'ny lalaon'i Barea sy i Côte d'Ivoire. Ho entintsika eto ny zava-misy any an-toerana, amin'izao ora efatra mialohan'ny lalao izao... ♦ Namory ireo ministra voakasiky ny fitandroana ny filaminana teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo omaly ny Praiministra, manoloana ny tranganà fanolanana sy tsy fandriam-pahalemana... ♦ Nametram-pialàna ny ministry ny raharaham-bahiny armeniana. Miaina anaty krizy ity firenena ity...
17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.
♦ Hotanterahina anio tolak'andro ny lalao miverina eo amin'ny Barea sy ny Elefanta ivôriana, izay ho tanterahina any amin'ny kianja Barikadimy Toamasina... ♦ Manao antso avo amin'ny fanjakana ireo mpiasa roa eo anivon'ny Jirama. mbola tsy tafaverina amin'ny asany izy ireo, dimy taona aty aorian'ny fitarihana fitokonana tamin'ny taona 2015... ♦ Nahita vaksiny fanindroany fanefitry ny Covid-19 ny orinasa mpamokatra fanafody iray any Etazonia...
Zoma 20 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
♦ Hivory voalohany handinika ny fikatsoan'ny fivoriana ara-potoana eny Anosikely rahampitso ireo loholona... ♦ Tsy nisy afaka mivoaka sy miditra ao Ambatoboeny intsony nanomboka androany ireo fiara, vokatry ny fahatapahan'ny lalana... ♦ Andrasana amin'ny Alarobia izao ny tohin'ny dinika hanatsarana ny fifandraisana eo amin'i Bahreine sy ny Emirats arabo mitambatra...
Alakamisy 19 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44 — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
♦ Mba ahafahantsika miatrika ny fetin'ny faran'ny taona anatin'ny filaminan-tsaina, dia nandray fepetra manokana any amin'ireo distrika vitsivitsy mbola ahitana ny Coronavirus ny fitondram-panjakana... ♦ Nihena ho 16.000 taonina ny anjara litchis azonttsika ahondrana any ivelany, raha toa ka 17.5000 taonina isan-taona... ♦ Any Etazonia, miziriziry amin'ny heviny hatrany ny filoha Donald Trump. Tsy manaiky ny fahareseny tamin'ny fifidianana filoham-panjakana notanterahana tamin'ny 03 novambra...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco