Sabotsy 14 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
♦ Nitombo ny tranganà fanodikodinam-bolam-panjakana tamin'ny taona 2019 raha ampitahaina tamin'ny taona 2018 hoy ny teo anivon'ny Bianco... ♦ Ny hanamafisana ny fizahantany anatiny no isan'ny antony sy tanjona kendrena amin'ilay hetsika "tsenaben'ny fizahantany", karakarain'ny ministeran'ny fizahantany... ♦ Namoy ny ainy tany Turquie teo amin'ny faha-72 taonany ny alin'ny alatsinainy hifoha omaly talata ihany koa ny filoha Maliana teo aloha Amadou Toumani Touré...
Zoma 13 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra.
♦ Nitombo ny fanodikodinana ny volam-panjakàna tamin'ny departemanta samihafa tamin'ny taona 2019 na dia hita taratra aza ny finiavan'ny fahefana mpanatanteraka hiady amin'ny kolikoly... ♦ Niakatra fampanoavana androany momba ny raharaha nitorian'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy i Clémence Raharinirina... ♦ Lavon'ny Coronavirus teo amin'ny faha-65 taonany ny sekretera jeneralin'ny OLP Fikambanana ho fanafahana an'i Palestine...
Alakamisy 12 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.
♦ Nanome toromarika ireo fampanoavana hampihatra politikam-pamaizana manokana hanamafisana ny ady amin'ny herisetra ny ministry ny fitsaràna, manoloana ny tranga fanolanana... ♦ Efa any Abidjan avokoa ny ankamaroan'ireo mpilalao mandrafitra ny barea, hihaona amin'i Côte d'Ivoire amin'ny alakamisy izao... ♦ Nanome baiko amin'ny hanokafana fanadihadiana momba izay voalaza fa hosoka tamin'ny fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia ny ministry ny fitsaràna amerikàna...
♦ Tsy manankery amin'ny lisi-pifidianana ho ampiasaina amin'ny faha 11 desambra izao, ireo didy mivoaka eny amin'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana... ♦ Tena mbola sarotra ny fifehezana ny kere any atsimon'ny nosy, noho ny fisian'ny rivotra miaraka amin'ny fasika... ♦ Nahita vaksiny vaovao iadiana amin'ny Covid-19 ny laboratoara amerikàna sy ny alemà...
Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
♦ Teren'ny lalàna tsy maintsy mitoroka ny tranganà fanolanana na herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ny fiaraha-monina... ♦ Homarihina manomboka anio tolakandro hatramin'ny 13 novambra ho avy izao ny fahatsiarovana ireo tanora Malagasy nandray anjara tamin'ny ady lehibe roa natrehan'izao tontolo izao... ♦ Tsy nanampo ny ho faharesen'ingahy Donald Trump tamin'ny fifidianana filoham-panjakana amerikana ireo mpomba azy any Pensylvanie...
Talata 10 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10 — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
♦ Tsingerina eo amin'ny fiainan'ny olombelona : Fahaterahana, zaza mena-vava, ankizy, tanora, olon-dehibe, antitra, fahafatesana... ♦ Famaritana ny atao hoe fahanterana : Dingana faratampony amin'ny fivoaran'ny zava-mananaina.. ♦ Arakaraky ny olona tsirairay avy ny endriky ny fahasamihafana eo amin'ny fahanterana...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco