Alakamisy 4 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13

Rehefa nampianarin'i Jesoa tsikelikely, tamin'ny fomba samihafa ny Apôstôly, dia indro fa irahany amin'izay. Niaraka fotoana ela tamin'i Jesoa izy ireo, nofaniny, nampianariny ho olon'ny fanjakan'Andriamanitra izay hotiriany. Lasa nitory izany izy ireo avy eo. Tsy avy dia asa, fa fanamasinan-tena aloha, nitoetra teo amin'i Jesoa, niaina ny fiainany, naka ny toetrany. Izay no fiainana kristianina, antso sy iraka, vavaka sy asa.

Voalaza indroa eo amin'ny Evanjely teo ny hoe mandroaka demony. Isan'ny asan'ny Fiangonana io satria, ny demony no misakana ny olona tsy handray an'Andriamanitra, ny demony no mampivily ny olona tsy hizotra amin'ny lalana nosoritan'Andriamanitra. Mfanindran-dalana amin'izany ny antso fibebahana, izany hoe manolo-tena manontolo amin'Andriamanitra, mba tsy hanjakan'ny demony. Manda tanteraka ny asan'ny demony sy ny fanangoleny. Tsy fanaovana dokam-barotra mihitsy ny hoe fitoriana ny Evanjely, fa ady amin'ny demony, fahavalo miseho amin'ny fomba maro, mba hampijoroana ny fanjakan'Andriamanitra.

Misy fepetra ny fanirahana : tsy mirongo zavatra sao vesaran'ireny ka tsy afaka mandeha, sao variana amin'ireny ka adino ilay tena zavatra. Amin'izay, olona afaka sy malalaka tsara no manatanteraka ny iraka. Itodihan'ny Fiangonana ihany koa ny marary, amin'ny asa ataony. Ny fanosorana menaka voalazan'ny Evanjely eto dia fitsaboana tahaka ny fitsaboana rehetra, saingy efa fambara mialoha ny sakramenta fanosorana ny marary. Tsy avelan'i Jesoa ho irery isika, any amin'ny sehatra ikatrohana any, fa ombany hery. Asany rahateo no ataontsika ka ankino aminy, ary mangataha mba haniraka mpiasa amin'ny sahany Izy. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...