Toy ny antso miainga avy ao am-pon'nizay mino ny vavaka, miampita any amin'Andriamanitra, ao anatin'ny fitokisana tanteraka. Ny olona manam-pinoana no mivavaka, ary ny vavaka no mampisokatra ny mino any amin'Andriamanitra, hizarana ny manjo sy hanantenana izay angatahina. Raha mivavaka isika dia miresaka amin'Andriamanitra, ilaina ny fahatoniana, izany hoe miala amin'ny tabataba mba ho afaka hifantoka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Misy olana hatrany aorian’ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy ampy ny fifanajana eo amin’ny samy mpifidy, eo amin’ny samy kandidà satria samy mangetaheta vola sy voninahitra avokoa. Tsy maintsy miova ara-moraly isika raha te hampandroso ny firenentsika: ireo tompon’andraikitra amin’ny “administration”, ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny... Be dia be koa ny lesoka ataon’ny mpanao politika, manararaotra loatra. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny finoana dia fahasahiana miantso an'Andriamanitra, ary ny tsy fahampian'ny finoana dia ny faharerahana miantso. Ny olona tsy manam-pinoana no miaritra ny olana amim-pahanginana, anatin'ny vavaka no vahaolana. Ny olona manam-pinoana dia olona manam-paharetana tahaka an'i Bartime. Ny voary rehetra dia mangetaheta an'Andriamanitra daholo, ary samy miantso sy mitady ny vonjy avy Aminy avokoa. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nitarika tamin'ny Fokontany miisa 16 tao amin'ny boriborin-tany faha-5 ny firaisan-kina hoy ny kandidà Fetra Razafitsimialona. Tsy hitazam-potsiny manoloana ireo fandikan-dalàna nihatra taminy izy fa hametraka fitoriana... ♦ Olana mila vahana ao Toliara ny momba ny fanabeazana hoy ny mpampianatra mpikaroka Profesora Dina Jeanne. Maro koa ny tsy an'asa, vahaolana ny fianarana asa hoy ity vehivavy mpahay tantara ity... ♦ Hiara-hiasa momba ny jono sy ny karazan-java-manan'aina an-dranomasina ny Oniversiten'Antananarivo sy ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Vita sonia tamin'ity herinandro ity ny fifanarahana... ♦ Nanamafy ny antso hanafahana ireo takalon'aina Israeliana, ny Fiketrahana Masina...

Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa.  Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...

♦ Nisaotra manokana ny foloalindahy malagassy tamin'ny ezaka nataony niaro ny andrim-panjakàna ny Praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy nijoroan'ny foloalindahy no nilazany izany... ♦ Baolina kitra, mitarika vonjy maika ao amin'ny vondrona "I" misy azy amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026 i Madagasikara. Resin'i Barea tamin'ny isa 02 noho 01, tamin'ny alina i Comores... ♦ Nanazava tamin'ny ankapobeny ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna asiam-panitsiana ho an'ny taona 2024 teny Tsimbazaza omaly ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tsy tratra ny vinavina fampidiran-ketra...

Afaka miezaka foana isika ary afaka manomboka fiainana vaovao amin'ny fitiavam-bavaka. Aza matahotra miantso an'Andriamanitra ; ny fibebahana no hanombohana azy. Izay maniry hahazo fahasoavana dia milofo sy miezaka hatramin'ny farany, maharitra mivavaka. Ilàna finoana mari-pototra ny mivavaka ; hoy mantsy i Jesoa tamin'i Bartime "ny finoanao no nahavonjy anao". Ny finoana dia isika sahy mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nahena 4,9% ny vola natokana ho fampandehanan-draharaha eny anivon'ny minisitera tsirairay avy... ♦ Ao anatin'ny fanjana ny lalàna velona ihany no hampisy ny fitoniana eto amin'ny firenena, manoloana ny fanehoan-kevitra samihafa tao aorian'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tamin'ny alalan'ny fananganan-tsaina teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny fankalazana faha-64 taona niveranan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara...

♦ Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho antsika mianakavy ny avy eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miombom-bavaka izay niarahana tamin'ny 26 mey 2024... ♦ Hotontosaina ny alahady 9 jona 2024 ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Katôlika, izay tokony nankalazaina ny 13 mey 2024... ♦ Hanatanteraka Kôngresy ny 7 hatramin'ny 12 aogositra 2024, ny avy eo anivon'ny Tanora Marialy Vinsansiana...

15 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 33-37)

♦ Tsy nisy intsony nanomboka ny maraina teo ny fironam-bokatra, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, izay navoakan'ny CENI... ♦ Hiakatra kianja ao Afrika Atsimo anio ny Barean'i Madagasikara. Arahanao ao anatin'izao vaovao izao ny hevitry ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Hotokanana amin'ny 15 jona 2024 ny MIAMI ao Toamasina...

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...