Vakiteny voalohany

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 19a ; 12, 1-6ab. 10ab)

Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony.

Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra
ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena.
Nony inona,
nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra,
dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro,
ny volana no teo an-tongony,
kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.
Bevohoka izy sady nihetsi-jaza,
ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra,
dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka,
fito ny lohany, folo ny tandrony,
ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany.
Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra
ka nazerany tamin’ny tany.
Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy,
mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.
Tera-dahy Ravehivavy,
ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by,
ka nakarina ho any amin’Andriamanitra
eo anilan’ny seza fiandrianany.
Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra,
fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:

“Ankehitriny dia an’Andriamanitra
ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 44, 10bd-11. 12ab. 16

Andriambavy mihaingo amin’ny volamena no indro mijoro ankavananao.

Misy zanaka mpanjaka:
andriambavy iray no eo ankavananao
mirenty volamena avy any Ofîra.

Mihainoa, razazavavy, mampandria sofina:
ny taninao sy ny fianakavianao hadinoy.
Ny Mpanjaka mankatelina ny bikanao.

Iondreho izy fa tomponao,
mandrosoa an-kafaliana sy haravoana,
ary dia midira ao an-dapanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26b)

I Kristy no santatra, vao izay ny an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana
ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
vao izay ny an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nampiakarina any an-danitra i Maria,
ka mifaly ny tafiky ny Anjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.

Tamin’izany andro izany,
dia niainga i Maria nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria,
ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny.
Fa indro hatramin’izao
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy,
hatramin’ny taranaka fara mandimby, ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama
sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...