Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 16, 1-15. 60. 63)

Tonga lafatra ny hatsaranao noho ny famirapiratako nataratro taminao, nefa nivaro-tena ianao.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany,
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’i Jerosalema:
Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao;
Amôreanina ny rainao, ary Heteanina ny reninao.
Toy izao ny amin’ny nahaterahanao:
tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra,
tsy voampandro tamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza.
Tsy nisy nijery maso antra anao,
ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao;
fa tamin’ny andro nahaterahanao,
dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.

Nandalo teo akaikinao Aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin’ny ranao,
ka nanao aminao hoe:
‘Miveloma amin’ny ranao.’
Dia nampitomboiko toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe,
tonga tsara tarehy tapitr’ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana,
nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy.
Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao;
dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana;
ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao
ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
ka dia Ahy ianao.

Nampandroiko tamin’ny rano ianao,
dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo.
Notafiako amborodao ianao, nokiraroiko hoditr’ombirano,
nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.
Nohaingoiko tamin’ny firavaka ianao:
nasiako haba ny tananao, sy rado ny vozonao;
nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao;
ary diadema kanto ny lohanao.
Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao;
ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao.
Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao;
ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana.
Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao
noho ny hatsaran-tarehinao fa lavorary loatra izy,
noho ny famirapiratako nataratro taminao,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao,
ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao,
nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao,
ka hanorina fanekena mandrakizay aminao,
mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony,
noho ny henatra ianao, rahefa avy izay hanaovako fanorenana ho anao,
noho ny nataonao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Iz. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Nihodivitra ny hatezeranao ka nampionona ahy Ianao.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko,
matoky aho, mijoro fa tsy matahotra!
Ny Tompo no hery sy reharehako.
Fa Izy no vonjy sy fialofako.
Avia àry hanovo amin-kafaliana.
Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.

Am’izany andro izany samia manezaka.
Derao Andriamanitra; antsoy ny Anarany.
Torio ny vahoaka ny zava-bitany.
Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.

Ambony ny Tompo ka dia nasehony:
lazao an’izany ny vazan-taniny.
Ianao, ry Siôna hitotorebika,
fa Tompo lehibe Izy sady masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady, fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?”

Dia hoy Izy namaly azy ireo:

“Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany,
dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe:
‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny
ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray.
Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”

Fa hoy ireo taminy:

“Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”

Dia hoy Izy taminy:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady;
fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Koa dia lazaiko aminareo,
fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
ka manambady hafa, dia mpijangajanga
ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa.”

Hoy ny mpianany taminy:

“Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.”

Ary hoy Izy taminy:

“Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany,
fa izay nomena fahasoavana ihany.
Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny;
misy eonoka nataon’ny olona,
ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka handray izay mahay mandray.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...