Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 1-10. 13b. 30-32)

Hotsaraiko araka ny lalany avy ny tsirairay.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Ahoana ange no anonontononanareo ity ohabolana ity, ny amin’ny tanin’i Israely, ataonareo hoe:
Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!
Velona Aho, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin’i Israely.
Ahy ny fanahy rehetra,
na ny fanahin’ny ray na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa,
ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.

Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
tsy mihinana eny an-tendrombohitra,
tsy manandra-maso an’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely,
tsy manala baràka ny vadin’ny namany,
tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoany,
tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka,
tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka,
tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola,
mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,
ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalako ka tsy mivadika amin’izany,
dia olo-marina io ka ho velona izy,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Fa izany olona izany raha miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra,
ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo,
dia tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.

Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra
ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Ario lavitra anareo ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra nataonareo;
manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?
Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty;
koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 30, 12-23. 14-15. 18-19

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana;
ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an’ny tahaka azy ireny ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...