Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 9, 1-7 ; 10, 18-22)

Asio marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao Jerosalema.

Niantso mafy teo an-tsofiko ny Tompo nanao hoe:

“Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna;
samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.”

Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra,
nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely;
ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika,
sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehin-kibony.
Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely,
niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano.
Ary ny Tompo niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika
sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehin-kibony,
ka hoy ny Tompo taminy hoe:

“Mandehàna mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema,
ka asio marika ‘Thau’ ny handrin’ny olona misento sy mitaraina,
noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.”

Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko:

“Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo,
ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
Na anti-dahy, na zazalahy na zazavavy, na zaza, na vehivavy:
vonoy mandra-paharingany avokoa;
fa izay misy ny ‘Thau’ ao aminy kosa aza hatoninareo.
Ary eo amin’ny fitoerako masina manomboka.”

Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
Ary hoy Izy taminy:

“Lotoy ny trano, fenoy faty ny kianja.
Mivoaha ianareo!”

Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.
Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano ny voninahitry ny Tompo,
dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.
Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko,
ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana.
Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo;
ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy teo amboniny.

Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’Andriamanitr’i Israely,
teo amin’ny ony Kobara;
ary nahalala aho fa Kerobima izany.
Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy;
ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.
Ary ny amin’ny fijery ny tavany,
dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany;
sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany.
Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6

Ambonin’ny lanitra ny voninahitry ny Tompo.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo!
Derao ny Anaran’ny Tompo!
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay!

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo;
ambonin’ireo firenena
ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miondrika Izy mijery
na Lanitra izany na tany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...