Alatsinainy 30 marsa 2020 — Herinadro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11 — Manantena ny Tompo ny fnahaiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
♦ Mbola tsy voahaja ihany nanomboka ny maraina teo ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny tokony tsy hivoahana ny trano. Mbola maro ireo mivezivezy eny an-dalambe... ♦ Misy mitaraina mafy ireo lehiben'ny fokontany fa mitangorona manoloana ny biraom-pokontany ireo zokiolona sy mpanasa lamba mitaky ny anjara volany araka ny fampanantenan'ny Filoham-pirenena...
♦ Nisy omaly hariva ny vavaka notarihan'ny papa François teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, any Vatican Roma, nitalahoana amin'Andriamanitra manoloana izao fihanaky ny Covid-19 maneran-tany izao... ♦ Nitombo telo indray ireo fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasika. 26 izany izao ireo olona ahitana izany... ♦ Handray fepetra mafimafy kokoa ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny mpitandro ny filaminana ho an'ireo tsy manaja ny tsy tokony hivoahana ny trano...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco