♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...
Alakamisy 02 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 8, 51-59 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.
♦ Mbola nitombo efatra indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, raha ny valin'ny fitiliana avy eny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nitohy androany ny Test Diagonostic Rapide (TDR) atrehin'ireo olona tonga avy any ivelany, ny 11 marsa hatramin'ny 19 marsa teo, atao eny amin'ny Jumbo Score Ankorondrano sy ety amin'ny CCI Ivato...
♦ Nahazo fampitandremana am-bava tamin'ny tompon'andraikitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katôlika Mazava Atsinana fa tsy mandefa ny fandaharana miara-manonja miainga etsy amin'ny CCO ety Ivato... ♦ Mikatona amin'ny 12 ora antoandro ny Tsenanasabotsy sy Antsenakely ao Antsirabe manomboka androany ho fampiharana ny fepetra tsy hiparitahan'ny Coronavirus any Vakinankaratra...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco