Sabotsy 29 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 11, 27-33

Tohin’ny fandravan’i Jesoa ireo mpivarotra sy mpividy tao an-Tempoly, tamin’ny Evanjely omaly, dia tsy nahatombon-tsaina ireo lohandohan’ny mpisorona sy mpanora-dalana, izay sady tsy mino an’i Jesoa ho Mesia no tsy mino ny asany. Tsy mahita amin’ny maso tsara ny maha izy sy ny asa nataon’i Jesoa izy ireo. Fa nitady izay hanomezan-tsiny azy mandrakariva, ka nilaza tamin’i Jesoa hoe : "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao ? Ary iza no nanome fahefana anao hanao izany." Fantatr’i Jesoa ny fo sy ny sain’izy ireo. Tsy te-handray ny marina ambaran’i Jesoa izy ireo, ka nahatonga an’i Jesoa tsy namaly mivantana io fanontaniana io, novaliany fanontaniana koa : "Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona ?" Tsy dia hoe hahafantatra ny tena marina hoy isika teo no tanjon’ireto lohandohan’ny mpisorona sy mpanora-dalana ireto, fa ny hamandrika an’i Jesoa mba hiampangana Azy.

Raha mijery ny tontolo ankehitriny isika, dia hahatsapa fa tontolo feno fitaka sy lainga ary fandrika. Mihavery ny fahamendrehana nomen’Andriamanitra antsika olombelona. Raha izay dia tsy fitadiavana ny marina mba hanorenana fiaraha-monina vaovao sy mirindra no hita amin’ny toerana maro, fa toa zary mifampiandry kendritohina, hamandrihana ny hafa ka hanenjehana azy amin’ny zavatra kely mety tsy dia manao ahoana akory. Te haneho eo amin’ny fiainantsika, ao am-pontsika, ny lalan’ny fahamarinana Andriamanitra, fa isika no malailay fonosana satria heverintsika fa hanelingelina izay mety ho faniriana manokana ao am-pontsika, na koa izay mety ho fananantsika na ny sitrapontsika mihitsy ny fahalalantsika ny marina.

Ny finoana no tian’Andriamanitra iainantsika isan’andro vaky. Finoana izay velombelomina ao amin’ny fifandraisana amin’izy Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Ny finoana no mampamokatra be ny vavaka ataontsika ary ny vavaka isan’andro kosa no mampahamafy orina ny finoantsika. Amin’izay, tsy ho tahaka ireo lohandohan’ny mpisorona sy mpanora-dalana tsy nahita havaly an’i Jesoa isika. Fa rehefa manana finoana mafy orina ary vonton’ny fivavahana kosa, dia hifantoka tanteraka amin’i Jesoa ary hahafantatra tsara rehefa manontany antsika izy hoe : "Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona ?" Ny finoana no ahafahantsika milaza fa avy any an-danitra i Jesoa ary ny fahefana ananany koa dia avy amin’Andriamanitra Rainy, fa avy aminy koa, satria Olombelona faharoa ao amin’ny Trinite Masina izy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...