♦ Tsy mitombo isa mihitsy hatreto ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandefa CVO na Covid Organics 11.500 fonosana ho an'ny vahoaka any Guinée Equatoriale sy ireo Malagasy monina any an-toerana ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Misokatra ankehitriny ny antontam-baovao azon'ny rehetra jerena izay liana amin'ny vaovao momba ny Coronavirus...
♦ Velon-taraina ny fikambanan'ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny FIASTRAMA fa misy misandoka ny vokatra avy amin'izy ireo hitsaboana ny marary... ♦ Manohy ny fanafihana ao an-tampon-tananan'Ambatondrazaka ny jiolahy mitam-piadiana. Miantso vonjy manoloana izany ny mponina... ♦ Olona 25 no atao famotorana tao aorian'ny vono olona nahafaty pôlisy tany Ambanja...
♦ Mitohy ny fitiliana ireo olona tonga eny amin'ny toeram-pitsaboana ahiahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin'ireo mpandoba ny harem-pirenena ny Alliance Voahary Gasy... ♦ Naolotra aro-ava iray hetsy ho an'ny vahoaka any aminy ny ao amin'ny faritra Amoron'i Mania...
Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco