Sabotsy 19 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

Dia manamafy izay voalazan'ny Vaovao Mahafaly, araka ny nambaran'i Kristy izay nohenointsika teo izay, saingy fomba hafa no entin'i Kristy hilazana amin'ny mpianany fa tsy maintsy misafidy na ny harena eto an-tany, na ny harena any an-danitra izy ireo. Nambaran'i Masindahy Matio tamintsika teo fa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola ianreo, hoy i Kristy. Ny fanompoana ny vola tafahoatra, matetika avy amin'ny ratsy, na miteraka voka-dratsy eny amin'ny fiainana andavanandrontsika eny. Izay no mahatonga an'i Kristy hanafatra ny mpianany hoe : "Aza mety ho handevozin'ny vola, fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ho fanampiny izany rehetra izany".

Ny an'i Kristy dia ny fanompoana an'Andriamanitra no voalohany indrindra, ary Izy mahalala izay ilain'ireo manompo azy, hoy izy. "Aza manahy foana ny amin'ny ainareo". Amin'ny maha olombelona dia ny fiahiana izao fiainana izao matetika no maha be ahiahy, nefa ambaran'i Kristy mazava fa mihoatra lavitra noho ny voromanidina sy ny lisy eny an-tsaha isika olombelona, na dia hoe velomin'Andriamanitra sy tsimbininy manokana aza izy ireny, kanefa isika olombelona kosa, araka ny nahariany antsika, dia nataony mihoatra lavitra ireo zava-boary rehetra nohariany, ka tsy tokony ho be fanahiana toa izany. Noho izany, entanin'i Kristy isika, hahay hametraka izay laharam-pahamehana sy tena tsy azo avela eo amin'ny fiainantsika, tsy inona izany fa ny fiankinana sy ny fitokisana tanteraka an'Andriamanitra. Koa velomy sy hamafiso ny finoana, izay isan'ny hatsaram-panahy iray, maneho izay fitokisana amin'Andriamanitra izay, fa izy tokoa no mahalala izay mahasoa antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...