Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana? Noho izany aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy."