Alatsinainy 27 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 22-30 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho amin'ny lala-mahitsy aho.

Tsy ataotao foana ny fampianarana sy ny fanabeazana. Olona amin'ny maha izy azy manontolo no volavolaina ao, ary asa masina izany. Mila miara-miasa, mila manana fahendrena ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin'izany.

Nitsidika ny Oratorion'i Don Bosco i Henri sy ny rainy. Raha iny mbola nitolagaga ny asa vitan'i Don Bosco iny ny rain'i Henri, dia noresahan'i Don Bosco mangingina i Henri fa tian'i Masina Maria ho eo amin'ny Oratorion'i Valdocco izy, hanao mompera ka hitory ny vaovao mahafaly ho an'ireo marobe mila izany.

Alahady 26 janoary 2020 — Alahady fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23 — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...