♦ Tsy ampy 7.000.000.000 Ariary ny teti-bola iasan'ny antenimieram-pirenena amin'ity taona2020 ity... ♦ Naneho ny hatezerany noho ny tsy fisian'ny rano amin'ny paompy ny mponina teny amin'ny fokontany Ambatolampy Antehiroka androany maraina... ♦ Nitranganà asa fampihorohorona tao amin'ny "cimétière"-n'i Djeddah any Arabie Saoudite, androany... 

♦ Mikasa ny hamory vahoaka any Vakinankaratra ireo parlemantera TIM sy HVM ary ny vondrona Panorama amin'ny sabotsy ho avy izao... ♦ Hiverina hisokatra sy hiasa ao anatin'ny ainga vao, mialohan'ny faran'ity taona 2020 ity ny zotra an-dalamby FCE, mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manakara... ♦ Mijoro manohtra ny fakàna ankeriny sy ny fanerena ny ankizivavy hivadim-pinoana sy hanambady, ny eglizy any Pakistan... 

♦ Nitombo ny tranganà fanodikodinam-bolam-panjakana tamin'ny taona 2019 raha ampitahaina tamin'ny taona 2018 hoy ny teo anivon'ny Bianco... ♦ Ny hanamafisana ny fizahantany anatiny no isan'ny antony sy tanjona kendrena amin'ilay hetsika "tsenaben'ny fizahantany", karakarain'ny ministeran'ny fizahantany... ♦ Namoy ny ainy tany Turquie teo amin'ny faha-72 taonany ny alin'ny alatsinainy hifoha omaly talata ihany koa ny filoha Maliana teo aloha Amadou Toumani Touré... 

Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...