Tapa-kevitra i Line Bordas, roso ny dia, any Mahela no tanjona. Kely foana sisa no tsy nandaozan'ny lakana nitondra an'i Line sy Pita an'i Noro. Tafara-dia ihany ry zareo. Zaha tany sy fitadiavana "ilay very" : raha lanjaina dia ny tebiteby sy ny tahotra no mibahan-toerana indrindra.

Sabotsy 25 janoary 2020 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-18 — Izaho no nifidy anareo teo amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Niara-nitsangatsangana tany an'ala i Don Bosco sy i mompera Michel. Nitondra voankazo avy any ho an'ireo ankizy taizany izy ireo. Raha ny isan'ny ankizy sy ny hakelin'ilay kitapo, dia tsy tokony ho ampy an'ireo ankizy ny voankazo nentin'izy ireo, kanefa dia samy nahazo ny anjarany avokoa ireo ankizy, ary tsy kely fa betsaka.

Zoma 24 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo ny rehetra reko tamin'ny Ray.

[Miara-dàlana] Zoma 21 jona 2024

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...