Nahaliana ny olona ny akon'ny lazan'i Don Bosco. Namangy ny akanin'ny kamboty iray naoriny izy no nanararaotra nanamarina izany lazany izany ny vehivavy iray tena liana ny hahafantatra azy.

Hita "ilay very". Tafahaona tamin'i Tsaraby izy ireo. Ranomaso ifangaroam-pihetseham-po maro no nifanolorana.Tsy naharitra ny fifankahitana, niserana monja ihany. Noroahin'i rain'i Tsaraby sy i Line Bordas i Tsaraby rehefa avy nifanasa vangy tamin'ireto vahiny izy.

Alakamisy 30 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 21-25 — Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny làlako.

Tratra alina teny am-pandehanana i Don Bosco. Nendahin'ny jiolahy izy, saingy fantany tsara ilay jiolahy tsy nanam-po azy akory. Nangata-pamelana taminy ilay jiolahy mba tsy hiverenany any am-ponja indray.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...