♦ Ben'ny tanàna miisa 05 indray no voahongana tamin'ny toerany taorian'ny fandinihan'ny filankevim-panjakana ny antontantaratasy fitoriana miisa 311, ny zoma lasa teo... ♦ Nilaza ny ho vonona hiaro ny hevitry ny vahoaka any amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany ny solombavambahoaka charlot Mamihaja... ♦ voafidy fanintelony ho filoha Ivoariana ingahy Alassane Ouatara,..
♦ Mitoroka ny endrika tsy fanarahan-dalàna miseho sahady amin'izao iray volana mahery mialohan'ny fifidianana loholona izao ny fikambanana politika Fanorolahy... ♦ Vola mitentina 823.500.000 Ariary no voahangon'ny ONG Bovima, hividianana sakafo ho an'ireo olona lasibatry ny kere any atsimon'ny Nosy... ♦ Nangataka vavaka manokana ho an'ireo nodimandry, indrindra ireo lavon'ny valanaretina Covid-19 ny papa François omaly 02 novambra...
Talata 03 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 15-24 — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
♦ Voasambotra ilay tovolahy 16 taona nanolana zazavavikely 7 taona... ♦ Tsy tokony hisy intsony ny fiakaran'ny vidim-bary manomboka amin'izao volana Novambra izao... ♦ Misy mamefy sy manamafy ny hidin-tranony ieo mponina mipetraka manodidina ny trano fotsy ao Washington noho ny tahotra amin'ny korontana aorian'ny fifidianana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco