♦ Nametra-pialana ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mamaritra izany,.. ♦ Vinavinaina hiditra eo anelanelan'i Antalaha sy Sante Marie rahampitso alina ilay andro ratsy izay mbola sokajiana ho "dépression tropicale", any amin'ny 1083 km, atsinanan'i Antalaha no misy azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe manomboka anio ny vadintany syny mpanao lavanty eto Madagasikara ka hampiato ny asa rehetra fanaony manerana ny nosy...

Manoro antsika santionany amin'ny fomba fitoriana ny Evanjely i Md Lioka, araka izay voalazany ao amin'ny Lk 10, 1-11, "Mila toriana haingana sy hatraiza hatraiza ny hafatr'i kristy hoy izy ka mila mailaka aoka izany ireo Mpitory...". Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.

Endrika isehoan'ny fahazotoantsika hanara-dia an'i Jesoa Kristy ny fanatanterahana ny asa-pitoriana ny Vaovao Mahafaly. Vokatry ny fiantsoan'Andriamanitra ny asa fitorianany Vaovao Mahafaly. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...