♦ Mazoto amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI saingy tsy azo irotorotoana ny fanaovana izany hoy ny filoha lefitra Andriamalazaray Andoniaina... ♦ Niainga teto an-drenivohitra omaly ny fiarabe 15, mitondra ny vary tsinjo ho an'ny faritra 6, nitondra faisana tamin'ny rivodoza Batsirai... ♦ Velon-taraina ireo fokonolona ao Ampiringa, Kaominina Andina distrika Ambositra noho ny fisian'ny fitrandrahana vato. Iharan'ny tsindry hazo lena ireo fokonolona...

Manana adidy ny laïka ho lalivay eo an'ivon'izao tontolo izao ka ho fiadanana sy fahamarinana ary fifankatiavana no hiainana eto an-tany. Tokony hafehy ny fitaovan-tserasera sy karazam-pitenena misy ankehitriny ireo mpitory ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

♦ Fanapahan-kevitra mahasoa ny vahoaka sy ny firenena no noraisina, hoy ny Praiminisitra, raha nanontanian'ny mpanao gazety momba ny raharaha Imbiky Herilaza, androany... ♦ Ilaina saingy tsy azo irotorotoana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny eo anivon'ny CENI... ♦ Misy andro ratsy ahiana hivadika ho rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, araka ny filazan'ny Météo. Efa nivoaka an-dranomasina androany tolak'andro kosa i Dumako...

Manana anjara toerana lehibe ny fahazarana eo amin'ny fanabeazana. Mety hanova ny zavatra maro ny fahazarana ohatra hoe ny ankohonana manana fahazarana miteny ratsy dia manana zanaka voabe mahay miteny ratsy ihany koa. Ny ankohonana no sekoly voalohany ary tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana. Ilaina ny mitaiza ny ankizy hanana fahazarana anefa tsara kokoa raha hazavaina tsara amin'ny ny antony tokony hanaovana ho fahazarana ny fihetsika iray...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...