Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.

Tamin’ny septambra 2021 no efa nivoaka ny tahirin-kevitra fiomanana ary ny fahasivy sy fahafolon’ny volana oktobra 2021 no nankalazaina tany Rôma ny fanokafana ny Sinaody. Ny 17 oktôbra 2021 kosa no nankalazaina teny anivon’ny diosezy rehetra ny fanokafana ny Sinaody io. Mamoaka ny fehin-kevitra ny Fivondronamben’ny Eveka maneran-tany amin’ny 15 aogositra 2022. Ao anelanelan’izay anefa dia misy dingana fiomanana ary ho antsika eto Madagasikara manokana dia samy manana ny fandaharany avy ny diosezy tsirairay, fa mila tonga eny anivon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasiaka mialoha ny 5 jona 2022 ireo fehin-kevitra isaky ny diosezy. Ny 30 sy ny 31 jolay 2022 no famaranana ny sinaody eto Madagasikara eo amin’ny sehatra nasionaly. Rehefa vita izay fehin-kevitra mahakasika ny sinaody ho antsika eto Madagasikara izay dia halefa any amin’ny foibe mahakasika ny sinaody ahafahany mamoaka ny Instrumentum Laboris (tahirin-kevitra enti-miasa) voalohany izay hivoaka amin’ny volana septambra 2022. Ao aorian’izay dia hisy ny fivoriana mialohan’ny sinaody izay hotontosain’ireo Fivondronam-ben’ny eveka iraisam-pirenena sy ireo rafitra mitovy aminy izay hatao alohan’ny volana marsa 2023. Io fihaonam-ben’ny Eglizy isam-paritra io no ahafahana mamoaka ny tahirin-kevitra fito farany avy amin’ny fihaonam-be ny volana marsa 2023. Ireo Tahirin-kevitra fito farany ireo dia halefa mankany amin’ny foibe misahana ny sinaody ahafahany mamoaka ny Instrumentum Laboris faharoa indray ny volana jona 2023. Io Instrumentum Laboris faharoa io no entin’ireo eveka mandray anjara amin’ny Sinaodin’ny Eveka amin’ny oktobra 2023. Ao aorian’io Sinaodin’ny Eveka amin’ny oktobra 2023 izay hotanterahina any Rôma io dia mamoaka ny tahirin-kevitra farany na "Exhortation Apostolique post-synodale", izany hoe taratasy fanentanana omen’ny Papa vokatry ny sinaody.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...