Hery lehibe ho antsika ny famangian'ny Papa Fransoa teto Madagasikara, izay toa nanomana antsika hiatrika ireo olana samihafa toa ny krizy ara-pahasalamana. Nanantitratitra ny Papa Fransoa fa mafy ny vokatry ny fisokafana amin'ny fanatontoloana, izay mandevina sy mamono ireo vakoka sy ny fomba aman-kolontsaina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alarobia 23 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20
♦ Fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny fetin'ny 26 jona eny amin'ny Kianjan'ny Barea eny Mahamasina. Manomboka mametraka ny lamina ho an'ny fandriam-pahalemana ao anatin'ny kianja sy ny manodidina ny kianjan'i Mahamasina ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Nahatratra 1 taonina isan'andro ny fako nateraky ny fitsaboana ny Coronavirus, nandritra ny vanim-potoana nampamaivay ny valan'aretina teto amintsika. Nitadiavam-bahaolana tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antaninarenina ny hahafahana mifehy ny fitantanana izany fako izany...
♦ Mbola tsy nisy fampahafantarana ôfisialy hatramin'izao ny fizotry ny fanamarihana ny fetim-pirenena amin'ny 26 jona izao. Voalaza kosa fa hatao amin'ny tolak'andro ny matso eny Mahamasina... ♦ Niakatra roapolo ny isan'ny orinasa nitsangana eto Madagasikara raha mihoatra ny tamin'ny taona 2020, hoy ny tatitry ny EDBM... ♦ Misy indray ny fakàn-kevitra amin'ny mpisehatra voakasika momba ny fantsaràna ny teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco