♦ Tanora Malagasy miisa roa arivo, eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 24 taona no hisitra mivantana ny tetik'asan'ny Don Bosco Madagasikara, izay iarahany amin'ny mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny... ♦ Mampanahy ny fiantraikan'ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eto Madagasikara... ♦ Efa miverina amin'ny laoniny nanomboka androany ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena fahafito...
♦ Hampifandraisina sy hampifamenoana ny fanofanana arak'asa sy ny fandaharana vokarina amin'ny onjam-peo eto amin'ny RDB, Tanjona ny hanampiana ny tanora, sehatra iandraiketan'ny fikambanana Saleziana... ♦ Miantso ny rehetra hifankatia, hifanampy, ary hifanaja manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana ny evekan'ny Diosezin'i Farafangana... ♦ Nankasitrahan'ny filohan'ny repoblika ny fahendren'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'Andrainjato, ka handray vatsim-pianarana fanampiny, raha vao mahazo ilay carte bancaire...
Manimba ny fahasalamana ny fanaovana dokotera tena. Maro ny olona tonga eny amin'ny tobi-pahasalamana no efa ao anatin'ny fahasarotana fa tsy ilay fiatombohan'ny aretina intsony, izany hoe notsaboina tany an-tranony tany foana ny marary. Ny hoe manao dokotera tena dia ireo olona mamaritra samy irery ny aretiny na koa mitsabo sy mampiasa fanafody tsy nandalo fizahana teo anatrehan'ny mpitsabo niofana. Ny famaritana ny fototr'aretina dia ny mpitsabo "dokotera" no efa voatokana hanao izany raharaha izany. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
♦ Nidera sy nankasitraka ny fiomanan'ny fitondram-panjakàna, niatrehana ny rivodoza Batsirai ny avy amin'ny ONU. Goavana ny fahavoazana ka hanampy ny mpitondra amin'ny fanarenana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena... ♦ 27 no namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny rivodoza Batsirai hoy ny BNGRC. Ny député an'i Ikongo anefa milaza ihany koa fa 96 ny olona namoy ny ainy tao amin'ny distrikany... ♦ Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny fanjakana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco