Ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly tsy noterena ka tena mendrika ny olombelona. Mba hahavanona ny mariazy dia safidy malalaka ny hanambady sy hivady fa tsy an-tery ; fitiavana madio no fototra mampiombona ny mpivady. Ny fitiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly mandrakariva fa mahatsara fihavanana izany, safidy malalaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Alahady faha-6 - Taona A fankalazana ny Paka - Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Harivan'ny nanasan'i Jesoa Kristy ny tongotry ny mpianatra no nanaovany ity fampianarana ity, izay nanomezany ny didy dia ny "fitiavana", ity Evanjely ity dia mirakitra ny didim-pananan'i Jesoa, momba ny fitiavana. Fifandraisan'ny fitiavana sy ny fankatoavana ; ny fisehoan'ny fitiavana an'i Kristy dia ny fitandremana ny didiny...

Ny Sohika dia aretin'ny taova-pisefoana, ka ny mpitsabo Pneumologue - Allergologue no havanana amin'ny fitsoina ity aretina ity. Manomboka amin'ny fahavalo volan'ny zaza dia mety efa hisehoan'ity aretina ity. Mety hisy fahasarotana ho an'ireo zaza mararin'ny Sohika anefa misy ny fampianarana ireo ray aman-dreny mba hanampy azy ireo. Fambara : Rehefa mikohota dia mety ahazo rehoka fotsy, misy feo ny tratra, reraka ary tsy mahita tory firy amin'ny alina, malain-komana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miisa 6 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika noho ilay raharaha fanapahana ny lohan'ilay vehivavy tompon'ny Hotely any Mananjary... ♦ Efa eo am-pamolavolana tanteraka ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna nasiam-panitsiana ny governemanta ankehitriny... ♦ Hisy ny fanokafana ny lalana eny Mahamasina mialoha ny fetim-pirenena ho fitsinjovana ireo mpampiasa lalana. Ny 14% amin'ny asa no vita ankehitriny... ♦ Tsy mbola ahitana taratra ny mety ho fanarenana ny ao amin'ny faritra Gaza, 7 volana aty aorian'ny nampitsaharana ny ady...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...