Ny vavaka dia ilaina amin'ny fiainana ara-panahy satria tsy misy fitomboana raha tsy misy sakafo, ary ny vavaka no sakafo tena ilaina amin'ny fiainana ara-panahy. Tsy fononteny eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny vavaka fa tokony ho fototra iorenany ka izay no tsy maintsy haharitra, manaraka ny toro-hevitr'i Jesoa hoe : mivavaha ka aza mitsahatra. Mba hivavahana tsara dia fepetra fototra ny fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

11 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 4-12)

Nampijaly ny mponina tetý ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.

Izao no nambara tamiko, izaho Joany:

Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa,
izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo,
dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony,
ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo
mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany;
sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy,
ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Ary rahefa vita ny fanambaràn’izy ireo,
dia hiady amin’ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ka haharesy azy sy hahafaty azy;
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe
izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta,
eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.
Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana
no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan’andro sy tapany,
fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.
Hifaly ny mponina etý ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo,
hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo,
fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.

Nony afaka hateloana sy tapany anefa,
dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo,
ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.
Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe:

“Miakara atý.”

Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona,
sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10

Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.

Isaorana
ny Tompo vatolampiko,
Ilay nampianatra ny tanako hamely,
ny sandriko hiady!

Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy.
Ilay ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!

Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:
‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 10, 8-11)

Noraisiko ny boky dia nateliko.

Izaho Joany dia nandre feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan’ilay anjely
mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.”

Dia nankany amin’ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky,
ka hoy ny navaliny ahy:

“Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao,
nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.”

Noraisiko ny boky teny an-tanan’itý anjely, dia nateliko avokoa,
ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako,
fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.
Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe:

“Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa
no tsy maintsy mbola haminanianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely!

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay Mandrakizay:
Izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”

Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...