Adidy ny fitiavana ny Tanindrazana, ary zavatra voajanahary izy io, porofon'izany dia nitia ny Tanindrazany i Jesoa, nitomany izy nilaza hoe : "Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho ao aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao toy ny hanangonan'ny reny akoho ny zanany, eo ambany helany fa tsy nety nihaino ianao. Adidy ny fihainoana ny tenin'ireo ray aman-dreny izay manamafy ny rariny sy ny hitsiny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...
♦ Nodimandry tampoka androany maraina tao Fianarantsoa ny Talen'ny Radio Fivé Morombe Mompera Ranamandrainy Caliste, 43 taona izy izao nidaosin'ny fahafatesana izao... ♦ Nahetsiky ny fitondrana hanamora ny fitanterana amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ireo fiarabe FOTON miisa 250. Hisy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana ireo fiarabe ireo... ♦ Tontosa teny Alarobia ny andiany voalohany amin'ny Symposium momba ny Cybersécurité eto Madagasikara... ♦ Niala tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Fitsaràna iraisam-pirenena misahana ny heloka CPI i Niger...
Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco