Zoma 4 marsa 2022 — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

♦ Tsy hiova ny fifandraisan'ireo Eorôpeana sy ny vahoaka Malagasy, ary mitohy hatrany izany, hoy ny mpiandraiki-draharahan'ny Delegasiôna Eorôpeana eto amintsika... ♦ Nankatoavin'ny OMS ny andrana ara-pitsaboana natao tamin'ny CVO+, hitsaboana ny Covid-19. Tonga teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana, nanara-maso ny dingana rehetra tamin'izany, hoy ny teo anivon'ny Pharmalagasy... ♦ Hafindra any Antsirabe, noho ny toetr'andro ny fanamarihana ôfisaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ny 8 marsa 2022 izao...

♦ Mbola hitohy ny rotsak'orana amin'ny Farittra samihafa hatramin'ny faran'ny herinandro izao. Namoizana ain'olona ny rotsak'orana ny talata teo ho an'ny tao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Handray mpianatra ho pôlisy 1.450 ny ministeran'ny filaminam-bahoaka. 1.500 ny mpianatra ho zandary, horaisin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria... ♦ Miabo ny vokatra azon'ny fandaharan'asa Prosperer nandritra ny 14 taona, nisiany, hifarana amin'ity taona ity. Mihoatra ny 62.000 ireo mpisitraka mivantana ny fandraharan'asa...

♦ Mizaka ny tsy eran'ny ainy amin'ny olana ara-tsosialy goavana vokatry ny tsy fifehezan'ny fahefana mpanatanteraka ny andraikiny ny vahoaka malagasy hoy ny Vonndrona parlemantera TIM... ♦ Mitaky ny fandraisan'andraikitry ny fanjakana handrindra araka ny tokony ho izy ny fandraisan'izy ireo ny karamany isam-bolana ny SPATUT... ♦ Handrasana amin'ny alarobia 09 marsa ny didim-pitsarana, havoakan'ny fitsarana ambony eny Anosy, momba ny raharaha ifanolanana ao amin'ny FMF...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...