♦ Mbola hitohy ny rotsak'orana amin'ny Farittra samihafa hatramin'ny faran'ny herinandro izao. Namoizana ain'olona ny rotsak'orana ny talata teo ho an'ny tao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Handray mpianatra ho pôlisy 1.450 ny ministeran'ny filaminam-bahoaka. 1.500 ny mpianatra ho zandary, horaisin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria... ♦ Miabo ny vokatra azon'ny fandaharan'asa Prosperer nandritra ny 14 taona, nisiany, hifarana amin'ity taona ity. Mihoatra ny 62.000 ireo mpisitraka mivantana ny fandraharan'asa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...