♦ Azo heverina ny hirosoan'ireo firenena tandrefana amin'ny hanaovana an-kivy an'i Madagasikara, tao aorian'ny fahakivian'ny Vondrona Eorôpeana, manoloana ny toeran'i Madagasikara amin'ny raharahan'i Russie sy Ukraine... ♦ Lavin'ny Antoko TIM ny filazana fa mitady seza izy ireo manoloana ny fangatahana ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta... ♦ Afindra any Antsirabe noho ny lafiny toetr'andro ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, izay saika hatao any Manakara...
Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vehivavy, amin'ny andraikitra raisiny eo anivon'ny tokantrano, fiaraha-monina, fiangonana. Ilaina ny fahazotoana sy ny finiavana ao anatin'izany. Ho fitantanana izany anefa dia ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ny tokantrano, manoloana ireo andraikitra marobe raisina ireo.
Fampivoarana ny toe-karena. Ho fampivelarana ny maha-olona no tanjon'ny fampivoarana ny toe-karena. Adidin'ny mpitondra fanjakana ny mandrindra ny toe-karena, adidin'ny vahoaka entina ny mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny fanatontosana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco