20 septambra — Koreanina i André Kim Teagon, izy moa no pretra voalohany tao Korea. Teraka tamin’ny taona 1821 izy ary maty martiry tamin’ny toana 1846. Avy amin’ny fianakaviana Yangban izy. Ignace Kim Che-jun no rainy, ary ireo ray aman-dreniny dia niara-nibebaka nanaraka ny finoana kristianina.

Olon'ny fitiavana sy ny fiaraha-monina ny vehivavy ka miravona avy hatrany ny mety ho korontandrotana eo amin'ny fiainana vokatry ny toetra maherihery hananan'ny lehilahy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Talata 20 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21

♦ Hanomboka anio any New-York ny fivoriambe faha-77 an'ny Firenena Mikambana. Isan'ny ivon'izany ny fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana maneran-tany... ♦ Nisokatra ôfisialy androany ny fifanarahana ara-barotra andiany faha-9 eo amin'ny Vondrona Eorôpeanina sy ireo firenena dimy ka isan'izany i Madagasikara... ♦ Nampahafantatra androany ireo mpikambana maro an'isa anatin'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF, fa efa lany daty androany ny fe-potoam-piasan'ny birao teo aloha, ka tsy tokony hampiasa ny anaran'ny sendika intsony izy...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...