Zoma 23 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22
♦ Mbola mila jerena sy ifampiresahana ny momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI, hoy ny HVM, mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023. Hiditra amin'ny raharaha pôlitika eto amin'ny firenena amin'izay ity antoko mpanohitra ity, manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao... ♦ Nambenan'ny Emmoreg, ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony eny Tsimbazaza, androany... ♦ Ahiana ho lany tamingana ny sokatra mampihavaka ny any atsimon'i Madagasikara, noho ny kolikoly miseho amin'ny fangalarana sy ny fanondranana io zava-manana aina io...
♦ Namoaka fanambarana manoloana ny tsindry mahazo ireo mpanao gazety miasa any amin'ny Faritra Menabe ny filoha lefitra nasionalin'ny holafitry ny mpanao gazety any amin'iny Faritra iny... ♦ Manambana ny hitokona lavareny ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitohy androany ny fitokonana fanairana nataon'izy ireo... ♦ Mbola tafiditra ao anatin'ireo kaominina 74 isa hisitraka indray ny fandaharan'asa PDCID2 ny kaominina ambanivohitra Ambatoboeny... ♦ Milaza ny hanetsika ireo ampahany amin'ny mponina any Rosia ingahy Poutine manoloana ny ady ataony amin'i Ukraine...
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco