Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Ara-dalana ny fitakian'i Madagasikara ireo nosy malagasy, hoy ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny laha-teniny tamin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana. Manantena ny fanohanan'ny firenena mikambana ny filoha malagasy... ♦ Tratehaky ny polisy ao amin'ny boriborintany fahatelo ny maraina teo teny amin'ny fiantsonan'ny taxi-be Antanimena, ilay lahilahy iray nanaparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera "facebook" ny horonantsary mamoafady ka lasibatra tamin'izany ny vehivavy mpanakanto iray... ♦ Niaiky ny antoko Hiaraka Isika fa nisy ny lesoka amin'izao fitondrana izao saingy tsy tokony hinia hikipy manoloana ireo dingana vitan'ny fitondrana ankehitriny ny rehetra...
22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.
Mifanampy ny ray sy ny reny, fa tsy ankinina fotsiny amin'ny reny io karazam-panabeazana saropady io. Ny fiovan'ny toe-batany sy ny baraingo mipetraka aminy momba izany fiovana izany, ny tsy hitovizany amin'ny anadahiny ao an-trano na ny zazalahy hitany eny ivelany dia mila valiny marina sahaza ny taonany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco