22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.

Tamin’io fotoana nanjakan’ny amperora Maximien no nonina tao Octodorum tany Martigny dia nampiantso miaramila avy any Thèbes izy mba hanenjika sy hamono an’ireo kristianina nonina tao avaratr’i Alpes satria moa kristianina daholo ny mpononina tao noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataon’i Masindahy Materne. Rehefa henon’ireo miaramila izay notarihan’i Maurice fa hamono ny kristianina ny iraka ampanaovina azy izy ireo dia nijanona tao Agaune izy ireo ary nandà ny iraka nampanaovina azy. Tezitra ny amperora ka nasainy novonoina ireo miaramila. Marihana fa ireo antoko miaramila ireo dia mahatratra hatrany amin’ny 6600 no isan’ny tarika iray, izy ireo ilay antsoina hoe “Légion” avy any Thèbes. Tsy maty daholo akory ireo novonoina satria maro ireo miaramila. Ka ireo mbola velona rehefa nomena baiko dia mbola nandà hatrany ny iraka. Ka mbola nanome baiko fanindroany indray ny amperora hamono ireo sisa. Naniraka solontena tany amin’ny amperora ny sisa tamin’ireo miaramila tsy maty hilaza aminy fa tsy hivadika amin’ny toky sy ny voady nataony tamin’Andriamanitra izy ireo. Tezitra mafy ny amperora ka nandripaka ireo ambiny sisa tsy maty. Marihana fa i Maurice sy i Exupère ary i Candide no manam-boninahitra nitarika ireto légion avy any Thèbes ireto tamin’izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...