19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

Tsy misy na dia iray aza amin'ny fampianaran'ny Evanjely ka mampianatra na mandrisika antsika hanao ratsy. Matetika dia ny lalan'ny fitiavana sy ny fanetre-tena no atoron'i Kristy ho an'izay te hanaraka azy. Fianakaviana lavorary izay fianakaviana mahay mifampitondra eo amin'Andriamanitra, noho izany dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka ny ray aman-dreny.  Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Sabotsy 19 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40

♦ Mitaky ny hametrahana ny filankevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina, ny vondron'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Lasa 300 tapitrisa Dolara ny vola hanampian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny fanarenana ny orinasa Jirama... ♦ Ny fahazoana loharanom-bola enti-mihetsika sy ny lalam-barotra matetika, no mbola sakana lehibe ho an'ireo te handraharaha eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...