Sabotsy 19 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40
Ilay fototry ny famonjena antsika olombelona, tsy hoe toriana fotsiny fa nosantarin'i Kristy mihitsy eto no votoatin’ny ady hevitra sy fanontaniana nataon’ireo Sadoseanina Azy. Ambadik’izany mantsy, izay mety ho fiheverana sy fandraisana:
- An’Andriamanitra, izany hoe ny finoana Azy. Eo koa
- Ny endriky ny fiainana aorian’ny Fitsanganan-ko velona
- Ary ny fifandraisany amin’ny fiainana andavanandro.
Zavatra tsy misaraka ireo fa mifampiakina sy mifampitohy.
Mamarana ny taona litorjika tokoa isika, fotoana hanaovana tomban’ezaka sady ibanjinana ny ho avy. Mety alaim-panahy isika tsy hitsinjo ny fiafarana na ho enti-pahazarana fotsiny ihany. Fa raha ny finoana ny fitsanganan-kovelona tokoa no iorenan’ny fiainantsika manontolo, izany hoe: ilay fiampitana mankamin’ny fiainana vaovao mahasambatra mandrakizay ao amin’Andriamanitra, dia hiova araka izany na ny fomba entintsika mifandray amin’Andriamanitra, na ny fomba entintsika miaina. Ary mazava ao antintsika araka izany fa hisy valiny izay ataontsika eto an-tany.
I Kristy no nampahafantatra antsika an’ilay Ray, Nahary ny tany sy ny lanitra, mahasambatra antsika mandrakizay. Izy no namonjy antsika tamin’ny fahafatesana, ka namoha ny varavaran’ny lanitra, mba hizorantsika rehetra any. Izy no vavolombelon’ny fiainana mandrakizay ary nanoro antsika ny lalana makany. Koa aza malain-kino, fa ny finoana Azy no hahavonjy antsika, ary aza manjehy ny andro ho lava fa ny eto an-tany mandalo ihany.